Miarahaba tompoko!
Asainay ianao hanao fanadihadiana
hahafahanao mandrefy ny fahavononanao!
Atoro anao ny lalana akaiky sy mahitsy
Ny lakilen’ny fahombiazana !
Inona tokoa kay no atao hoe ORINASA?
Ny orinasa dia lamina sy rafitra natao anodinana ny akora ka amokarana vokatra amin’ny alalan’ny fampiasana vola, olona, fitaovana, akora ary haitao. Tsy ny birao akory no atao hoe orinasa araka ny hevi-diso mateti-pitranga!
Inona no atao hoe MPANDRAHARAHA?
Inona no atao hoe VINA?
Inona no tena toetra mampiavaka ny mpandraharaha?
Inona indray kosa no maha zava-dehibe ny FIFANDRAISANA?
Ireo zavatra 3 mampiavaka ny mpandraharaha
Samia mitandrina!
mbola tsy resy ny aretina!
- 1 ONCE (oz)= 31,1 g (raha te hahazo ny prix par gramme ianao dia zaraina 31,1 ilay tarehimarika voalaza etsy ambony)
- Ny prix omena eo ambony io dia ny prix de référence mondiale avy @ LBMA (London Bullion Market Association)
- Ny prix omena eto dia miova in-2 isan’andro
Convertisseur de devise USD/MGA: jeu, 21 Nov.
IREO DINGANA ARA-PANJAKANA @ FANANGANANA ORINASA
1. ny Carte d’Identification Fiscale (CIF), ahitana ny Numéro d’Identification Fiscale (NIF);
2. ny Carte statistique;
3. ny Extrait du Registre du Commerce (RCS).
Misy karazany roa lehibe nefa ny orinasa dia arakarak’izay ny toerana ikarakarana ny taratasy, dia ireto voalaza manaraka ireto:
1. entreprise individuelle
2. société
Ny entreprise individuelle dia eny anivon’ny Centre Fiscal, ny INSTAT ary ny Tribunal no atsangana. Ny société kosa dia eny anivon’ny EDBM no miandraikitra ny fananganana azy.
→ Ny Entreprise Individuelle, natao ho an’ny mpiasa tena (profession libérale, artisan …) dia mampifangaro ny fananana sy ny trosan’ny mpandraharaha amin’ny an’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana (oh: NIF, STAT, RCS) dia misoratra amin’ny tenan’ny mpandraharaha. Afaka manisy anarana ara-barotra (nom commercial) fanampiny nefa izy hiantsoana ny orinasany.
→ Ny société (SARL, SARLU, SA, SAU) kosa dia manasaraka ny mpandraharaha amin’ny orinasany. Ny taratasy ara-panjakana dia misoratra amin’ny anaran’ny orinasa. Ny statut kosa no ahitana izay tompon’ny orin’asa. Samihafa ny fananana sy ny trosan’ny orinasa ary ny an’ny mpandraharaha.