Misaotra anao manao an'ity fanadihadiana (auto-diagnostic) ity.
Tanjona:
- Ny hamantaranao raha efa tena vonona tokoa ianao hanomboka fandraharahana;
- Ny afahafanao mandini-tena hoe aiza ho aiza ianao izao, inona no vita sy tokony mbola atao.
Fanazavana:
- Tsy fitsapam-pahaizana akory izy ity ka noho izany tsy misy ny valim-panontaniana diso sy marina;
- Manainga anao hamaly ny fanontaniana ankitsim-po mba tsy hahadiso ny valiny;
- Mila 5 minitra eo ho eo na mihoatra ny fanaovana ity fanadihadiana ity;
- Tsy nalahatra ny fanontaniana fa navadibadika mba tsy hisy fiantraikany amin'ny valiny mety hapetrakao.
Valiny:
- Any amin'ny faran'ny fanontaniana no azonao ny valiny;
- 100 no isa ambony indrindra mety ho azo;
- Ny isa kely dia midika fa mbola tsy vonona ianao ny hanomboka ny fandraharahana;
- Ny iza lehibe manakaiky ny 100 dia midika fa efa tena vonona ianao hanomboka ny fandraharahana.