Fitantanana ny fitaovana
Fitaovana!
Raha hijery fitaovana hafa azo ampiasaina ianao dia tsindrio ny bokotra eo ambany.
- Ny famokarana dia entina manolotra vokatra hamaliana ny filàn’ny tsena. Noho izany ny asa famokarana dia tokony hialohavan’ny asa fitadiavana tsena.
- Misy tanjona apetraka mialoha (voalohan’ny taona/volana/herinandro/andro) mikasika ny habetsaky ny vokatra hovokarina. Mifandraika amin’ny tanjona ara-barotra izany.
- Mifanaraka amin’ny tanjona hotratrarina ny laminasa sy ny loharano ary ny fitaovana rehetra ampiasaina, ao anatin’izany ny akora omanina sy vidiana (ny habetsany, ny fotoana ividianana azy, ny kalitaony).
- Ara-teknika dia misy filaharany ny asa atao arakaraky ny haitao nosafidiana.
- Misy kajy atao amin’ny famokarana mba tsy hahafatiantoka ny orinasa.
- Misy fomba fiasa apetraka mba hahatratrarana ny tanjona sy ahafahana manaramaso ny fizotry ny asa.